Fandriampahalemana

Hentitra ny SEG vaovao “Esory aho rehefa tsy mahomby na dia 1 volana aza”


  • Talata 17 Aogositra 2021

« Rehefa hay dia atao tsara, rehefa tsy hay dia anontanio”.Mamintina ny foto-pisainana sy ny fomba fiasan’ny Jeneraly Gellé Richard

io izay ambaran’ireo mahalala azy tsara sy nifampikasokasoka taminy fa tia manoro sy mampianatra. 37 taona izao no laniko nanompoana ny zandarimaria sy ny miaramila, hoy ny sekreteram-panjakana vaovao miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Gellé Richard, nandritry ny fandraisany fahefana tetsy amin’ny toby Ramarolahy Betongolo omaly. Zava-dehibe amiko ny anio, hoy izy. Toy ny olona nihazakazaka aho ka ny 100 metatra farany no hampisehoanao ny maha izy anao. Tsy tongatonga ho azy izany. Isaorako ny SEG teo aloha, ny jeneraly Richard Ravalomanana, fa isaorako koa ny lehibe fara-tampon’ny foloalindahy. Tsara ahitsy hatrany fa lehibe fara-tampon’ny foloalindahy amin’ny maha “chef” azy no fiteny fa tsy filoha fara-tampon’ny foloalindahy. Misaotra ny filoham-pirenena nifidy anay tanatin’ny maro. Rehefa tsy mahafa-po ny jeneraly Gellé dia esory na 1 volana aza! Be dia be ny mahay sy vonona fa manomboka eo amin’ny fahasahiana no tokony hiavahan’ny olona. Nalaza ratsy tato ho ato ny hoe ho foanana ny zandarimaria. Ny taona 2014 no efa nanohitra izany aho ary niteny hoe mpamono firenena izay niteny izany. Mbola kolonely tanora no efa nantsoina hiatrika ny RSS na “Réforme du secteur de sécurité » ny tenako tamin’izany. Io no teniko ary hoy aho, indrindra, raha mpitandro filaminana toy ahy no miteny izany dia tsy mety fa sao dia manonofy ka aleo mifoha fa hijoro tsy hanaiky izany izahay. Tsy hiady na hitana basy izahay fa ny asanay no hataonay tsara ho porofo. Raha manana porofo ilay niteny hoe tokony ho foanana ny zandarimaria dia angatahako izy hanao adihevitra tsy ho ela aminay fa manana tohan-kevitra maro koa izahay. Tsy voatantara eto ny paikady hitondrana ny zandarimaria. Maro fa roa no teneniko dia hoe tohizana ny efa tsara. Ampifanarahana amin’ny ambana na “menace” ny paikady. Ny paikady tsara indrindra eto an-tany dia tsy sarotra fa ny lalana mandrara sy manery. Tokony aharahan’ny rehetra ireo dia milamina isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT