Fandriampahalemana

Hentitra ny SEG “Miala izay tsy mahavita azy”


  • Talata 26 Septambra 2017

Tsy toy ilay teo aloha fa dia mazoto manome fanazavana amin’ny mpanao gazety mikasika ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana misy amin’izao fotoana eto amin’ny firenena ny jeneraly Girard Randriamahavalisoa, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na ny SEG vaovao.

Ao anatin’ny fivoriamben’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana dia nanazava teny amin’ny toby Ratsimandrava eny Andrefanambohijanahary omaly ny SEG fa fanao isan-taona ny tomban’ezaka ary nilaza ny fa tsy afa-po satria mbola mahita trangana tsy fandriampahalemana maro taterin’ireo haino aman-jery eto amintsika. Ny zoma izao no hifarana ny fivoriana ary hampahafantarana ireo tarehimarika vaovao mikasika ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. 3 volana no homena ireo tompon’andraikitra hanantanterahan’izy ireo ny tandrify azy ka izay tsy mahavita ny anjarany dia aoka izy hikisaka tsimoramora, hoy izy. Noresahany koa ny vaky fonja nitranga tao Ambatondrazaka nahatafaporitsaka gadra 11 isa. Efa manomboka manao ny sakana rehetra izahay, hoy ny tenany, hisamborana ireo nitsoaka. Mikasika ilay zandary voalaza ho namita iraka teny Anosy Avaratra saingy nidoboka am-ponja kosa dia aleo handeha ny famotorana ary izay rantsana nahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna no aoka hanao azy, izany hoe, raha polisy no nahita ilay izy, dia aleo izy ireo hanao ny asany malalaka fa izahay dia manara-maso. Miezaka ny mametraka ny zandarimariam-pirenena amin’ny toerana mendrika azy ny jeneraly Girard Randriamahavalisoa. Anisan’ny mampimenomenona olona ny afitsoky ny zandary amin’ny faritra maro eto Madagasikara amin’ilay resaka kolikoly sy fanaparam-pahefana. Mbola tranga manaratsy endrika ny zandarimariam-pirenena koa ny fandoavam-bola raha hiditra ho mpianatra zandary sy ny fandoavam-bola mba hampisondrotra ny galona. Hentitra ny SEG vaovao. Hahavita hanova tokoa ny fomba ratsy ve izy ?


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

  • Toamasina
  • Talata 14 Aprily 2026

Mpamily tuc tuc nanendaka, voasambotra

  • Halatra tariby
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Mpiasan'ny Jirama roa nidoboka am-ponja

Hijery ny tohiny
FTT