Fandriampahalemana

Hentitra ny minisitry ny polisy « Tsy maintsy esorina ny ahidratsy »


  • Sabotsy 10 Jona 2017

Natao maly zoma 9 jona ny famindram-pahefana teo amin’ny kaomandin’ny sekolim-pirenen’ny polisy Antsirabe na ny ENIAP. Ny kaomisera divizionera Talily Damy indray no hitantana ny sekoli-pirenen’ny “Inspecteur et Agent de Police” ankehitriny,

 

 nandimby ny Kaomisera divizionera Andrianirinaharivelo Jean Ives Remi. Ny minisitry ny filaminana anatiny, ny controleur general de police Andrianisa Mamy Jean Jacques no nitarika ny lanonana. Nahalasa saina tanteraka ny tenin’ny minisitry ny filaminana anatiny nanoloana ireo olona marobe nasaina satria toy ny namaky bantsilana ny mpitantana teo aloha ny tenany. Tsy hoe tsy nahavita azy ny teo aloha fa ny taninketsa dia tsy maintsy kolokoloina mba ho maitso lalandava ka havaina sy esorina ny ahidratsy hitomboan’ny ketsa ara-dalàna fa ny saonjo iray lohasaha dia tsy hilaozan’izay iray hamarara. Aoka tsy ho gaga isika fa tsy maintsy misy ny volo ngita mifandray tendro ka aza gaga raha toa ka ongotana hiala izy, indrindra fa ny amin’ny taniketsa toy itony, hoy izy. Nisy olana ve tao amin’ity sekolin’ny polisim-pirenena ity ? Nambarany fa mitohy ny fanabeazana ary ny fametrahana mpitantana azo antoka sy mahay toy izao dia anisan’ny fanorenana fototra maharitra ho an’ny polisim-pirenena. Nambaran’ny Tale vaovao, ny kaomisera divizionera Talily Damy kosa  fa hiezaka hanohy ny fanavaozana efa nentin’ny talen’ny sekoly teo aloha ny tenany ary hitondra fanavaozana ihany koa. Nambarany fa ny tarigetran’ny minisitra vaovao ny fanomanana polisy ho vanona sy ho vonona hiatrika ny asa avy hatrany avy ao amin’ny sekoly ka hahay hanaja ny fanarahan-dalàna sy ny fiarovana ny zon’olombelona. Efa fantatra amin’ny fahamatorana sy ny  fampanarahan-dalàna moa ny tenany nandritra ny nitantanany ny biraom-paritry ny polisim-pirenena tao Vakinankaratra ka inoana fa hitondra fihavaozana vaovao indray ity mpitantana ity. Mahatratra 750 ny mpianatra ao amin’izao fotoana.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT