Hentitra ny Minisitry ny fiarovana

« Tsy miaro olon-dratsy ny Foloalindahy »


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Manoloana ny fisiana miaramila miisa 5 voarohirohy amin’ny raharaha famonoana ny ben’ny

tanànan’Andranomiely Ankazobe, nanambara ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena omaly fa tsy miaro olon-dratsy ny foloalindahy, ka raha tena nanao ny tsy mety ireo miaramila ireo dia tsy misakana, ary manome alalana malalaka ny fitsarana ny Minisitera amin’ny fanadihadiana sy famotorana. Niakatra fampanoavana omaly tany Ankazobe moa ireo olona 9 voarohirohy, ka anisany ireo miaramila. Midika io fa tsy nisy ny karazana fiarovana ireo miaramila tsy hohenjehina, fa nisy ny taratasy fahazoan-dàlana na « ordre de poursuite » avy amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. “Ny mpanao famotorana no manana ny ambarany, ary ny fitsarana no manapaka sy mandidy mikasika azy ireo. Aza adino fa ny Minisiteran’ny foloalindahy, dia tsy miaro olon-dratsy. Raha nisy tsy nety nataon’ny miaramila dia tokony hizaka ny vokany izy ireo satria tan-dalàna isika. Raha ohatra moa ka hendrikendrika fotsiny dia ny fitsarana no aoka hilaza an’izay ", hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirena, ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin. Notsipihiny hatrany fa eny am-pelantanan’ny fitsarana ny zava-drehetra sy ny antontan-taratasy momba izany, izay midika fa nisy ny « ordre de poursuite » nahafahana nanao famotorana sy mampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Raha hiverenana, notafihina dahalo 40 lahy ny tananan’Andranomiely Ankazobe ka maty tamin’izany ny ben’ny tanàna, ny 7 janoary lasa teo. Nisy koa ny dahalo maty sy naratra noho ny tifitra nataon’ny zandary. Miaramilan’ny Tafika malagasy miisa 5, filoham-pokotany 2 ary vehivavy 2 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Raha ny fantatra, tsy nampiasa basy na dia afaka nampiasa izany aza ny miaramila mirahalahy natory tao amin’ny tranon’ny zanaky ny ben’ny tanàna sy ny miaramila iray natory tamin’ny trano hafa tamin’io fotoana io. Ny miaramila roa hafa kosa dia voatonona ho naka vola tamina olona ahina ho olon-dratsy. Ahiana ho misy resaka valifaty ihany koa satria voalaza fa nahazo fampanantsoan’ny ben’ny tanàna ireo sefom-pokontany noho ny raharaha fitakiam-bola taman’olona, raha toa ka tamin’ny alalan’ny finday nampiasain’ny dahalo izay maty kosa no nahatrarana ireo vehivavy roa izay ahiana no mpitsikombakomba amin’ny dahalo. Nilaza moa ny Minisitry ny fiarovam-pirenena omaly, fa hisy ny hetsika hiarahan’ireo mpitandro filaminana telolafy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana toy ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny na « kidnapping ».
NIDOBOKA AM-PONJA
Raha ny vaovao azo, naiditra am-ponja vonjimaika any amin’ny fonjan’i Tsiafahy ireo miaramilan’ny DAS miisa 5, ary ao amin’ny fonjan’Ankazobe kosa ireo sefom-pokontany 2 sy olon-tsotra 2. Nenjehin'ny mpampanoa lalàna na « procureur » izy ireo ho : nanao vono olona nomanina na « Assassinat », nanao halatra mitam-piadiana; niray tsikombakomba tamin’ny fanaovana vono olona sy halatra; nanery olona andoa vola tsy ara-dalàna. olon-tsotra iray hafa natao fanaraha-maso. nomarihina fa sazy asa an-terivozina mandrapahafaty no miandry ireto vaompanga raha vaofaritra ny mahameloka azy ireo. Mba ahitana ny marina nefa dia mitohy eto amin’ny Fitsarana Ankazobe ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT