Fandriampahalemana

Halatr’omby Tratra tao Mahabo ilay jiolahy raindahiny


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Lehilahy iray 33 taona raindahiny amin'ny resaka halatr'omby, fanafihana mitam-piadiana ary efa nifampitadiavana hatramin’ny ela no tra-tehaky ny Polisy tao Mahabo ny faran’ny herinandro teo.

Raha tsiahivina kely dia maro ny fitarainana mikasika ity jiolahy rain-dahiny ity. Rehefa nidina ifotony ny mpitandro ny filaminana dia niroso tamin'ny fisamborana azy ka tra-tehaka soa aman-tsara ny anaolahy. Niaraka tamin’ny moto ity farany nandritra izany ary efa eo am-pelatanan'ny polisy any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao hananan'ny Polisy dia ity lehilahy ity no ati-doha miketrika ireo fanafihana sy halatr'omby matetika niseho tao Mahabo. Efa mandeha ny fanadihadihana azy amin’izao, mialohan'ny hanolorona azy eny amin'ny fitsarana.
Nangonin’i Pati`
Legende : Ity ilay jiolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT