HALATR’OMBY TAO TOLAGNARO

Lehilahy miisa 3 no voasambotra


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Lehilahy miisa 03 ny 02 Martsa alina teo no voasambotry ny polisy

avy ao amin’ny Fitaleavam- paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Anosy tao amin’ny Fokontany Ampasy Morafeno, kaominina ambanivohitra Soanierana Distrikan’i Tolagnaro ny. Tokony ho tamin’ny 9ora sy 30mn alina no nisehoan’izany. Loharanom - baovao no nahafantaran’ny Polisy mpanao fisafoana, UIR (Unite d’ intervention Rapide)Taolagnaro izay nanambara fa misy lehilahy miisa 04 , misaodisaody, hanatanteraka halatr’omby eny amin’ny sisiny sy manodidin a ny fokontanin’Ampasy. Nandeha teny amin’ilay toerana voatondro ny mpitandro ny filaminana sainy nilefa kosa ireo lehilahy 04 raha vao nahatazana azy ireo. Raikitra ny fifanenjehana, noho ny fiaraha - miasa tamin’ny fokonolona tany an – toerana ka azo sambo - belona ny 03 lahy. Nandritra ny fifanjevoana no namparatra ny tongotry ny iray tamin’ireo tra - tehaka.Tafatsoaka niaraka tamin’ny basim - borona kosa ny lehilahy iray hafa. 24 sy 36 ary 39 ny salan- taonan’izy ireo. Noentina notsaboina teny amin’ny CHRR Amboanato Tolagnaro moa ilay naratra raha fantatra fa hiakatra fitsarana anio Alatsinainy 04 Martsa kosa ny raharaha. Pati
Legende : Ireto izy telolahy anisan’ireo mpangalatr’omby ao Tolagnaro !
  qdq

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT