Fandriampahalemana

Halatr’omby 865 tany Miandrivazo Miantso ny fitsarana ho sahy hijoro ireo lasibatra


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Lehilahy iray antsoina hoe Lemana Volon’Ampondra no hany voasambotry ny manam-pahefana ary efa tazonina any amin’ny fonjan’i Maintirano amin’izao fotoana izao noho ny raharaha halatr’omby hatrany amin’ny 865 tany Betsipolotra Miandrivazo ny volana mey 2016,

 

 kanefa maro ireo olona notoriana. Manam-pahefana maro no efa nandefasana ny dika mitovin’ny taratasy fitoriana misy ny anaran’ireo olona naman’io Lemana io, izay voalaza fa tompon’antoka voalohany tamin’ny halatra, raha ny fanazavan’ireo mpandraharaha avy any Antsalova tarihin’i Mosa Albert. Hatrany amin’ny fiadidian’ny repoblika sy ny primatiora no nandefasana ny dika mitovin’ny taratatasy fitoriana. Mankahery sy mandrisika ny fampanaovana any Maintirano izay efa mandray an-tànana ny raharaha kosa anefa ireo mpandraharaha lasibatra tamin’izany. Hiangaviana ny fampanoavana mba hiroso lalina kokoa amin’ny fanenjehana ireo ao anaty lisitra. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ihany koa mba tsy hisian’ny hitsabahana amin’ny resaka poltika, raha toa ka misy namana na fianakavian’izy ireo voarohirohy amin’ity raharaha avo lenta ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT