HALATRA ZAZA VARIRA TETO AMINTSIKA

Vao jiolahy miisa 3 no tratra, iray namoy ny ainy


  • Zoma 27 Desambra 2024

Nahatratra 23 isa ireo zaza manana toe-tena varira nisy naka an-keriny teto amintsika tamin’ity taona 2024

ity ka ny 4 amin’ireo no mbola tsy hita raha miisa 9 kosa ireo namoy ny ainy. Vao jiolahy miisa 3 hatreto no tratra sy voaroiroy tamin’ity raharaha ity ka iray no namoy ny ainy. Ny ankoatra izay tsy misy tohiny, antony tena mampitaraina fatratra ireo fianakaviana manana olona manana toe-tena varira any amin’ny faritra Anosy, Atsimo Andrefana ary Atsimo Atsinanana. Ao Soanala manokana dia fantatra fa miisa 6 ireo zaza varira miaraka amin’ny Ray aman-dReniny tazonina ao amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena amin’izao. 6 taona no zandriny indrindra amin’izy ireo raha 15 taona no zokiny indrindra. Toraka izany koa ny ao Andranovory izay hambenana ao amin’ny tobin’ny zandary ihany koa ho fiarovana ny ainy. Olana goavana sedrain’ireo mpitandro ny filaminana anefa ankehitriny ny tsy fisian’ny sakafo hohanin’izy ireo. Raha ny fantatra moa dia mbola vokatry ny finoanoam-poana ihany ny amin’ny fisian’ny feo mandeha sy miparitaka fa misy safira sy diamondra ny mason’ireny olona manana toe-tena varira ireny, antony hakan’ny sasany an-keriny sy hamonoany azy. Misy ihany koa ny milaza hoy ny vaovao fa tsara hatao sorona izy ireny fa mampanan-karena haingana, antony hisian’ny tondro-molotra rehefa mandalo ny varitra ka hivoahan’ny fitenenana toy ny hoe : miliara vetivety raha vao mandalo izy ireny...
Pati
Legende : Lasibatra hatramin’ireo zaza varira mbola minono !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT