Fandriampahalemana

Halatra zava-maneno any am-piangonana


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Voasambotra i Hervé lohandohan’ny mpisorona

Tena efa tonga hatrany am-piangonana ireo mpangalatra. Ankoatra ireo mahavita mangalatra ny poketran’ireo mpino mandritra ny fotoana fanateran-drakitra dia efa misy mandripaka ihany koa ny zava-maneno. “Ampli” vaovao‚ vao novidian’ny fiangonana katolika iray ao Antsohihy 03 tapitrisa Ariary mahery ny 17 may lasa teo no nanjavona tampoka. Mpikarakara zava-maneno ao amin’ny fiangonana katolika‚ nandeha maraina nanokatra fiangonana sady handamina ireo zava-maneno fa handray lamesan’ny mpianatra no nahatsikaritra voalohany izany. Natao ny filazana tao am-piangonana ny Alakamisy 18 may izay fahatsiarovana ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra mba hanomezam-baovao ireo mpino sao mba misy mahita izany. Tena nisy olona tsara sitrapo nahita tokoa. Namidin’ireo tsy mataho-tody taminy mantsy ity fitaovana hampiasaina hiderana an’Andriamanitra ity tamin’ny vidiny 240 000Ar. Niara-nientana nitady ilay mpivarotra entana halatra araka izany ny rehetra ka noraisim-potsiny tao an-tranony tao Ambalakida i Hervé. Rehefa nosavaina tao an-tokantranony dia tratra tao aminy avokoa ireo karazana zava-maneno tao am-piangonana nangalariny toy ireo fitaovam-piangonana avy any Bealanana ….Vao 24 taona moa ity tovolahy tratra ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity i Hervé, ilay tovolahy mpangalatra fitaovam-piangonana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT