HALATRA VOAMASO TAO AMBAHIKILY

Renim-pianakaviana iray tsy misy maso ila intsony


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no fantatra fa tsy misy maso ila intsony

amin’izao ao Toliara ao ary mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Lasibatr’ireo jiolahy mpangalatra voamaso mantsy izy io tamin’ny herinandro lasa teo, tranga niseho tao Befasy Fokontany Beadabo, Kaominina ambanivohitr’Ambahikily, raha araka ny loharanom-baovao azo. Tsy mbola hita io voamasony ila io hatramin’izao raha toraka izany koa ireo naka azy. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia zava-maranitra no nakan’ireo jiolahy ny masony izay nongotany manta. Soa ihany araka izany fa tsy nahafaty ity Renim-pianakaviana ity ny zava-nitranga. Vao voa rahateo izy dia nisy nahita ary nahazo fitsaboana avy hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay Renim-pianakaviana lasibatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT