Fandriampahalemana

Halatra voamaso sesilany Roalahy sarona, lehilahy iray jamba tanteraka


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Mampivarahontsana ity resaka halatra voamaso ity tato ho ato. Teo aloha raha ny olona varira no tena lasibatra, dia efa tsy mifidy hasiana intsony ireo olon-dratsy,

ary tena manjaka io indrindra any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Olona 2 lahy indray no azo sambo-belona naka ny voamason’ny lehilahy iray tao Behorinkazo, Kaominina Antongo, Distrikan’i Morombe, raha ny vaovao niparitaka nanomboka omaly. Azo sambom-belona izy ireo izay nangalaka ny voamason'ny lehilahy iray tao an-toerana, rehefa nisy ny fidirana an-tsehatry ny miaramilan’ny ZDS izay tarihin'ny Commandant Nambinintsoa, hoy ny fampitam-baovao. Velona soa aman-tsara kosa ilay lehilahy lasibatra, saingy jamba tanteraka tsy misy voamaso noho ity zava-doza nanjo azy ity. Mbola baraingo hatramin’izao ny hampiasana ny voamaso izay mirongatra tanteraka ny asa ratsy mifandraika aminy. Sesilany ny antso avo sy antso vonjy ao amin’ny Distrikan’I Morombe eo anatrehan’io halatra voamaso io, fa eo ihany koa ny fanapahan-doha. Vao tsy ela, fa ny 15 novambra teo ihany koa raha tsiahivina, dia olona miisa 4 no nosamborin'ny zandary tany Vaingaindrano teo am-pitadiavana olona hividy voamaso nahatratra hatrany amin’ny 30 isa izay tratra teny amin’izy ireo. Tena zava-doza mampivarahontsana, ary tsy mbola fahita firy ity asa ratsy mahazo vahana ity, ka hiantsoana fandraisana andraikitra feno, ary miantso ny olom-pirenena ho mailo sy hitandrina ihany koa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT