Halatra voamaso

100 tapitrisa ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny roa


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Tena lafo no hividianan’ireo olona mila azy ny voamason’olombelona.

Raha araka ny fantatra mantsy dia 100 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny roa miaraka. Fanadihadiana nataon’ireo polisy tao Andohanilakaka nahatratra ireo dimilahy mpangalatra voamaso tany an-toerana izany. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, raha tsiahivina fa misy olona mitady mpividy voamaso tao amin’ny tanànan’Ana¬la¬mahavelona, kaominina Besa¬koa, distrikan’i Sakaraha, ny herinandro lasa teo. Nandeha ny fikarohana ireo manana voamaso hamidy araka izany ka tratra izy dimy mirahalahy ireto ary mbola hita teny aminy ny voamaso miisa roa niampy zava-maranitra. Olona tsara sitrapo no nahitana ny toerana nieren’izy ireo izay marihina fa karazan’olona tsy an’asa ny ankamaroany no sady mamelom-bady aman-janaka avokoa. Tsiahivina moa fa hampitomboan’olona iray ny hery manokana hananany na havadiny hatao ody gasy ny voamason’olona vidiny, raha araka ny fantatra hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy dimy mirahalahy mpangalatra voamason’olona tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT