Fandriampahalemana

Halatra vary akotry Lehilahy roa voasambotra tany Manja


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy miasa ao Manja ny 24 aprily teo noho ny resaka fangalarana vary akotry (paddy).

Noho ny hezaka nataon'ny polisy miasa ao Manja dia voasambotra ireo jiolahy miisa roa mpangalatra vary akotry ireo . Raha tsiahivina dia ny zoma maraina 24 aprily 2020 tokony ho tamin'ny 1 ora maraina teo ho eo no nisy nangalatra ny varina olona iray mbola teny an-ntanimbary tao amin'ny fokontany Ankilifolo. Nampandreha ny polisy ny fokonolona ka natao ny fanarahan-dia ireo jiolahy ireo ary tra-tehaka miaraka amin'ny vary roa gony izay avy nangalarina izy ireo. Taorian'ny fanadihadiana natao azy ireo dia natolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT