Fandriampahalemana

Halatra Tuk Tuk Voavely maritoa ny lohan’ilay mpamily


  • Talata 18 Aogositra 2020

Lehilahy iray 25 taona izay voalaza fa mpangalatra tuk tuk no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny SUT Toamasina ny 16 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.

 

 

 

Naka tuc tuc izay niala avy eo amin’ny Saint Paul ho any amin’ny Génie militaire Barikadimy io lehilahy io sy ny namany iray. Rehefa nandeha anefa izy ireo dia ilay mpamily indray no notafihiny. Avy hatrany dia novelesiny maritoa teo amin’ny lohany . Tsy tafatsangana moa ity farany ka lasan’ireo mpandroba ilay tuk tuk.Tsikaritry ny manodidina izany fihetsika izany ka tsy nisalasala izy ireo nanampy no sady niantso ny polisy miasa any an-toerana. Raikitra ny fifanjehana ka tsy lasa lavitra dia tra-tehaka ny lehilahy iray tamin’ireo mpanao ratsy raha tafaporitsaka kosa ny namany. Mbola tratra teo koa ilay tuk tuk nangalarina izay vaky ny fitaratra eo aloha ka efa naverina tamin’ny tompony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT