Fandriampahalemana

Halatra tuk tuk Lehilahy 2 voasambotra tany Toamasina


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny polisy miasa amin'ny boriborintany voalohany ao Toamasina noho ny fahaverezana Tuk tuk.

 

 

 

 

 

Nanokatra fanadihadihana avy hatrany ny polisy nanoloana izany. Ny sabotsy 09 mey maraina vao mangiran-dratsy nandritra ny fisafoana dia tra-tehak'ireo polisy tamin'izany teo Valpinson ity lehilahy mpangalatra ity niaraka tamin'ilay "tuk tuk" ka nentina namonjy ny birao avy hatrany natao famotorana. Fantatra nandritra ny fanadihadihana natao tamin'ity mpangalatra ity fa efa niasa nanao "chauffeur" tamin'ilay tompona "tuk tuk" nametraka fitoriana ihany izy taloha. Nolazainy tamin'izany ihany koa fa nanampy azy tamin'ny halatra ihany koa ilay lehilahy mpiambina tao amin'ilay toerana nipetrahan'ilay "tuk tuk" ary efa nosamborin'ny polisy ny andron'io ihany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT