Fandriampahalemana

Halatra tele sy solosaina teny Ambohipo Lahilahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Lehilahy iray, 28 taona no saika matin’ny fitsaram-bahoaka omaly Talata 07 martsa tokony tamin'ny 9 ora maraina teny Ambohipo.

Raha araka ny fantatra dia namaky tranon’olona tamin’ny andro atoandro io lehilahy io. Teo am-pangalarana ny “télé écran plat” 01 sy solosaina enti-tanana 01 ary finday 01 izy no tra-tehaky ny tompon-trano ka nirifatra nitsoaka avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehina ka tra-tehaky ny fokonolona teo amin'ny manodidina ity olon-dratsy ity. Nataon'ny fokonolona fitsaram-bahoaka izy nandritra izany ka raha tsy tonga ara-potoana ny Polisy dia saika namoy ny ainy mihitsy. Noentin'ny Polisy tany amin'ny hopitaly ity jiolahy ity notsaboina, avy eo noentina tany amin'ny biraon'ny Polisy nanaovana fanadihadiana. Efa tafaverina any amin’ny tompony avokoa moa ireo entana avy nangalariny ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tratra ambodiomby nangalatra ity lehilahy ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT