Halatra tariby varahina

Olona miisa 7 naiditra am-ponja vonjimaika


  • Alatsinainy 26 Janoary 2026

Ravan'ny Polisim-pirenena indray

ireo tambajotra mpanao asa ratsy mpangalatra tariby varahina lehibe ao Taolagnaro sy ny manodidina. Tao amin'ny toeram-piasan’ny orinasa iray any an-toerana, ao Ampamakiambato, no nitrangan’ny halatra, izay hanaovana asa fametrahana toby famokarana herinaratra avy amin’ny rivotra eo akaikin’ny seranan-tsambon’i Ehoala.Ny alin’ny 16 janoary teo, no nisy olona iray tratran'ny Polisy ambodiomby nangalatra tariby varahina mirefy 79,60 metatra.Taorian’izay dia nanohy ny fanadihadiana hatrany ny Sampandraharaha misahana ny fikarohana fandikan-dalàna (SRPJ) ao amin’ny faritra Anôsy ka vaosambotra tsikelikely ireo namany sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Niaiky ireo voarohirohy fa efa im-betsaka no nanaovana ny halatra.Natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ny zoma 23 Janoary teo ka olona fito no naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy ny fikarohana izay mety mbola ho tafiditra amin’ity raharaha ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT