iray maty voatifitra…
Nandritra ny fisafoana nataon’ny Zandary ny alin’ny 29 septambra 2026, tra-tehaky ny manam-pahefana ny andian-dehilahy nihanika andrin-jiro an’ny JIRAMA tao amin’ny Fokontany Alakamisikely, Kaomina ambanivohitr’Ampahimanga, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy. Nikasa hangalatra tariby mitondra herinaratra mavesatra izy ireo, izay fananana iombonana sy fotodrafitrasa manan-danja ho an’ny vahoaka. Nitsoaka ireo olona ireo, ka voatery nampiasa hery ny Zandary. Voatifitra ka maty tsy tra-drano ny iray tamin’izy ireo, raha tafatsoaka kosa ny namany. Mitohy hatramin’izao ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana manoloana ity tranga mampanahy ity. Antitranterina, hoy ny Jirama, fa fahavalom-pirenena avokoa ireo mikasa hangalatra na hanimba andrin-jiro sy tariby mitondra herinaratra. Ankoatra ny fahatapahana efa voalahatra, ny fangalarana tariby no isan'ny miteraka sy manampy trotraka ny fahatapahan-jiro lavareny any amin'ny RN1, ary fatiantoka goavana ho an’ny Orinasa JIRAMA. Namafisina ny antso avo amin’ny olompirenena rehetra: raha misy tranga ahiahiana, dia ampandreneso avy hatrany ny manam-pahefana na ny sampan-draharaha JIRAMA akaiky anao. Ny fiarovana ny fotodrafitrasa iombonana dia andraikitra sy adidy iraisan’ny rehetra. Tsara ny mampahatsiahy, fa tapa-bolana lasa izay no efa nasian'ny Minisitry ny Angovo sy akoran'afo Rabearimanga Radonirina Lucas teny, fa eo ny ezaka kanefa misy ihany koa ny ankasomparana toy ny halatra tariby any amin'ny RN1, izay nahatratra 28km, niteraka fahatapahana. Efa voasolo saingy nitohy ny halatra sesilany, toy ny 600m vao tsy ela, izay efa nisy olona 6 ahiahiana ka nosamborina. Mbola nisy halatra 300m,... ary io mbola nisy andian'olona izay nisy maty voatitra io. Asa mety mba hahafay ireo tia kely ve sa mbola hitohy ny asa ratsy? Anisan'ny anton'io halatra tariby io moa ny fividianana vy ka ireo cuivre amin'ny taribin'ny Jirama no misy mandrendrika, ka niantsoan'ny Minisitry ny angovo fanaraha-maso tamin'izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.