Fandriampahalemana

Halatra taribin’ny jirama Olona 9 no voasambotra tany Ambatondrazaka


  • Zoma 24 Febroary 2023

Ny halatra tabirin-jiron’ny JIRAMA ankoatra ny halatra jiro amin’ny ankapobeny no tena miteraka ny fahatapahan-jiro amina toerana iray.

Ho an’ny tananan’i Tsarahonenana Ambatondrazaka ohatra dia saika isan’andro no hiainan’ny mponina izany antony nanosika ireo tompon’andraikitra hanara-maso akaiky. Vokany, olona miisa 9 no indray nosamborina noho ny halatra taribin-jiro sy fitaovan'ny orinasa BETC Jiro Kanto, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny orinasa JIRAMA andro vitsy lasa izay. Nanao fanangonan-tsonia ireo fokonolona sy ny Ben'ny tanànan'Imerimandroso araka izany ny mba hahafahana mampiditra am-ponja ireto nahavanon-doza ireto izay marihina fa vehivavy ny telo. Nitory azy ireo ihany koa ilay orinasa mpiara-miombon’antoka amin’ny JIRAMA. Omaly moa no niakatra fitsarana ny raharaha ka fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika ny sasany tamin’izy ireo. Efa nahavitan'izy ireo vilany mihitsy ireo tariby halatra, ary havadiny ho vola izany avy eo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT