Fandriampahalemana

Halatra taolam-paty Tsy mbola nahitana fanazavana mihitsy hatreto


  • Talata 03 Novambra 2020

Tsy mbola nahitana fanazavana mihitsy ity resaka halatra taolam-paty ity, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Patrick Raharimanana, raha nahatsiaro ireo efa nodimandry omaly,

 

 

 

 izay mbola fankalazana ny fetin’ny maty rahateo moa, ho an’ny kolontsaina vahiny. Betsaka ny tranga ary maro ireo voasambotra fa hatreto tsy hita ny atidoha na ireo mpividy izany, hoy izy. Raha ny fanadihadiana natao dia maro ireo tsaho manodidina ity resaka ity ka mahatonga ny olona mino fa ho vola be io taolana io. Ao ny milaza fa ny taolan-dava no tsara. Misy ny milaza fa ny vahiny any ivelany no mila azy io anaovana fanafody na akora fanatsarana tarehy sy ny resaka maro hafa. Ny mahagaga anefa dia maro ireo taolana any amin'ireny firenena nahitana ady an-trano toa an’i Rwanda. Feno taolana tsy hita aza izay asiana azy, faty tsy fantatra tompo ka dia nasavovona tsy hita ariana ary tsy misy mividy. Ny taolana malagasy ve izany dia miavaka amin'ny taolana afrikanina na taolan'ireo mponina maty tsy misy maka ny taolana amin'ny tany miady ireny? Raha ny fandinihina azy aloha hatreto dia sera an-javony fotsiny io eritreritra fa ampanan-karena ny halatra taolana io. Raha taolana no ilaina, tsy lany laniana ary tsy misy mpividy any amin'ny firenen-kafa, hoy hatrany ity mpandinika ity.

J. Mirija

 Sary fanehoana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT