Fandriampahalemana

Halatra tamina orinasa teny Tanjombato Ny mpiambina ihany no nibata ireo entana


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023


Tsy misy olona azo hitokisana intsony amin’izao noho ny hasarotan’ny fiainana. Ankoatra ilay hakamoana hampiasa saina sy vatana mba hahazoam-bola mantsy dia tsy vitsy ireo mitsiriritra fotsiny ny fananan’ny hafa ka lasa manaotao foana. Nisy orinasa iray vaky teny Tanjombato teny ny sabotsy 15 aprily lasa teo. Niantso avy hatrany ny kaomisaria foibe Atsimondrano ny tompony tokony ho tamin’ny 05 ora maraina ka nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy avy ao amin’ny UIR. Rehefa tonga teny an-toerana ireto farany lehilahy iray izay tsy iza fa mpiambina tao amin’ity orinasa ity ihany no tratra ambodiomby nangalatra « Lotrène » 30 gony tao an-toerana. Izy ity moa dia akora simika ampiasaina hanamboarana plastika. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ity mpangalatra ity nanaovana fanadihadiana raha tafaverina tamin’ny tompony kosa ireo entana halatra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT