Fandriampahalemana

Halatra tablette tany am-pianarana Olona 4 nidoboka am-ponja tany Toliara


  • Zoma 15 Mey 2020

Nitrangana vaky trano tao amina sekolim-panjakana EPP iray tao Toliara ny alin’ny 19 aprily 2020. V

 

 

ery tamin’izany ny « Tablette » miisa 50. Nametraka fitoriana avy hatrany teo anivon’ny « Commissariat Central de Police » tany an-toerana ny talen-tsekoly. Niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana sy fisamborana ireo olona mety ho voarohiroy tamin’ity vaky trano sy halatra ity ny polisy araka izany. Olona efatra no voasambotra ka vehivavy ny roa amin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana ireo olona voasambotra dia fantatra fa tsy very ireo « Tablette » ireo fa nahodinkodina olona iray izay tompon’andraikitra tao amin’ity sekoly ity ihany. Tafaverina tamin’ny sekoly ny « tablette » miisa 27. Mbola eo am-pikarohana ilay tena ati-doha kosa ny polisy. Efa any am-ponja ireto olona efatra ireto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT