Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 ny zoma sy sabotsy ary alahady teo teny amin’ny faritra 67ha sy ny manodidina iny.
Namaky trano sy nanendaka izy ireo raha araka ny fantatra. Tamin’ny zoma no tratra ny lehilahy 56 taona sy 18 taona. Ilay lehilahy 18 taona dia nosamborina taorian’ny antso nataon’ny tompon-trano iray teo 67ha avaratra. Fantatra moa fa mamo ity tovolahy ity ary tamin’izany no nidirany an-tsokosoko tao amin’ilay trano ary nibatàny ny vata fahitalavitra sy ny solosaina enti-tanana tao an-toerana. Tra-tehaky ny tompon-trano anefa izy tamin’izany ka nosamborina avy hatrany. Ilay lehilahy iray 56 taona kosa dia voasambotry ny Polisy teo amin’ny 67ha atsimo. Raha tsiahivina dia nisy tsy fetezana ny fiaran’ilay tompona fiara ka nanolo-tena hanampy azy ity lehilahy ity. Noho ny andro efa maizina anefa dia natolony azy ny finday Iphone 7 plus mba hitsilovany azy. Teo am-panamboarana ilay fiara anefa dia natolotr’ilay lehilahy ny namany izany finday izany ka lasany nandositra izy ireo. Lehilahy roa hafa ihany koa no voasambotra ny sabotsy sy alahady teo noho ny antony fikasana hanendaka. Efa nanara-maso anefa ny polisy nandritra izany noho ny fahamailoan’ny mponina ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roalahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.