Halatra sy sabôtazy…

Nisy naka indray ny taribin-jiro


  • Alarobia 23 Septambra 2026

300 m eny amin'ny RN1

indray nisy nagalatra Tariby mitondra herinaratra mirefy 300 m indray no nisy nangalatra tao Marovoalavo, Fokontany Mangatany, Distrikan' Arivonimamo, ny alin’ny 21 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, araka ny tatitra ofisialy. Niara-nihetsika avy hatrany tamin'ny Zandary, sy ny fokonolona tao Alakamisikely, ireo mpiasan'ny orinasa Jirama any an-toerana vao naharay antso momba ny fahatapahan’ny herinaratra tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampahimanga ny JIRAMA. Natao ny fitsirihana teny an-toerana sy fanarahan-dia an'ireo mpanao ratsy, izay nambara fa mbola eo an-dalam-pikarohana ankehitriny. Ankilany, nambara fa milofo amin'ny fanoloana ny tariby very ireo teknisianina an'ny JIRAMA, mba hamerenana haingana ny famatsiana herinaratra mankany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampahimanga sy Amboanana. Iangaviana hatrany ny mponina ao amin'ny Faritra Itasy, hanamafisana ny fiaraha-mientan’ny rehetra : iarovana ny fananana iombonana sy hamongorana ny halatra tariby mitondra herinaratra izay mahazo vahana tato ho ato, any amin'iny Faritra iny, hoy ny antso avo. Tsy mety mitsahatra ny halatra taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra (Moyenne Tension) any amin'ny Faritra Itasy, raha efa nisy tamin'iny herinandro ny tranga fahaverezana tariby an-jatony menatra teo ho eo. Vao ny zoma lasa teo ny Minisitry ny angovo no niresaka ny halatra tariby any amin'ny RN1, izay nambarany fa nahatratra 28km, niteraka fahatapahana. Efa voasolo saingy nisy nangalatra 600m indray, izay efa nisy olona 6 ahiahiana ka nosamborina. Anisan'ny mampirongatra an'io ny fividianana ireo cuivre amin'ny taribin'ny Jirama izay misy mandrendrika, ka niantsoan'ny Minisitra Rabearimanga Radonirina Lucas antso fanaraha-maso. Dia hifanao fanjakam-boalavo handrava hefa eto foana ve isika ka izay mitsangana potehina sy ravaina?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

  • ADINA MPIVADY NAMOA-DOZA
  • Zoma 18 Septambra 2026

Novonoin'ilay Rangahy ny

Hijery ny tohiny
FTT