Halatra sy fitazonana an-keriny

Teratany Egyptianina miisa 5 no nosamborina


  • Talata 30 Janoary 2024

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahatelo Anosy teny

amin’ny 67ha sy Mandrosoa Ivato ny tera-tany Egyptianina miisa 5 ny 22 sy 23 janoary lasa teo rehefa niditra an-keriny tao an-tananan’olona sy nanao fitazomana an-keriny ary nangalatra. Naharay fitoriana ity Sakelika ity ny 22 janoary teo mahakasika io tranga voalaza etsy ambony io ka ireo teratany Egyptianina mpanao varotra mitety trano no voalaza fa tompon’antoka. Fantatra moa fa tokantrano teny Anosizato sy Andranomena no niharan’izany ny 21 janoary 2024 teo. Miditra an-keriny ao amin’ilay tanana izy ireo ary maka ireo zavatra lafo vidy toy ny tele ary vola. Nanao ny fikarohana ireo Polisy tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia ka voasambotra tenyamin’ny 67 ha ny roa ny 22 janoary teo. Tsikaritra fa eny Mandrosoa Ivato ireo namany hafa.Ny 23 janoaray 2024 dia nisy noho izany ny fidinana ifotony natao ka raikitra ny fisamborana ka nandray fiara ary nandositra izy ireo. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ny telo raha tafaporitsaka ireo dimy hafa. Marihina fa namaly no sady nidaroka ireo Polisy nanao fanamiana moa izy ireo nandritra ny fisamborana. Maro ihany koa ireo fitoriana voaray mahakasika ireto teratany vahiny ireto.Efa tsy manan-kery ary tapitra ny fe-potoanan’ ny taratasy hahafahan’izy ireo mijanona eto Madagasikara. Natolotra ny fampanoavana ny 26 Janoary lasa teo izy ireo.
Pati
Legende : Ireto ireo teratany Egyptiana miisa 5 tsy maintsy nosamborina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT