Halatra solika manodidina ny 400 litatra

Sarona tao Brickaville


  • Alatsinainy 02 Febroary 2026

Fiara lehibe iray mpitatitra amin’ny

lalam-pirenena faharoa na RN2 avy aty Antananarivo hihazo an'i Toamasina no reraka dia natory teo Antsampanan'i Manambato namonjy fiantsonana, hoy ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Maraina ny andro. Gaga rehefa hanohy ny dia fa tsy nisy solika intsony tao anaty «réservoir» na fampidinana solika. Solika na «Gasoil» manodidina ny 400 litatra no lasan'ny mpangalatra. Vaky ny saron'ny «réservoir». Talohan'ny natoriana nefa mbola nandoa vola tamin'ny mpiambina «parking» na fiantsonana ary nanao «passation», izany hoe, famindràna asa tsara ny mpamily mba hiarovana ny fananana entiny. Niantso ny zandary avy ao amin'ny borigady misahana an’i Brickaville ny mpamily ary niditra an-tsehatra ny zandary. Nandeha ny fanadihadiana sy ny fisamborana. Nampiasa ny fahaiza-manaony ny zandary ka tratra ireo solika very tany anaty ala ary nisy efa tafiditra tao an-trano tsy lavitra teo. Vehivavy ny 1 ao anatin'ity tambazotra mpangalatra solika ity, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT