Fandriampahalemana

Halatra panneaux solaires sy fitaovan-dakozia Lehilahy iray tratra ambodiomby teny Amparibe


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Lehilahy iray manodidina ny 20 taona omaly 26 oktobra tokony ho tamin'ny 6 ora maraina no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny Amparibe rehefa nangalatra panneau solaire sy fitaovan-dakozia.

Nahazo antso avy amin’ny tompontrano ny Polisy miasa amin'ny CSP 5 etsy Mahamasina raha tsiahivina nilaza fa misy olona tsy fantatra tafiditra ao an-tokantranony. Tsy niandry ela ireo mpitandro ny filaminana noho izany fa nandeha teny amin'ilay toerana voalaza nijery ny zava-nisy ka tratra ambodiomby teo am-pangalarana ilay panneaux solaires sy ny fitaovana kojakoja fampiasa ao an-dakozia ity lehilahy ity. Noentina avy hatrany eny amin'ny biraon'ny Polisy ilay jiolahy taorian’izany. Fantatra nandritra izany fa nihanika tamboho ny tenany. Rehefa hitany fa tsy nisy olona nivezivezy dia nopitsohany ny varavarana miditra ao amin'ny lakozia izay nifanandrify taminy ary nanararaotra naka sy nangalatra ny zavatra hitan’ny masony tao izy. Nahatsikaritra feo hafahafa ny tompon-trano ka niantso Polisy avy hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT