Halatra omby tao Mahitsy

Mbola misy olona 3 karohina


  • Talata 17 Desambra 2024

Raha ny tokony ho izy dia omaly no niakatra teny amin'ny fampanoavana ireo olona tratra tamin'ilay

halatra omby tao Mahitsy ka sarona tao amin'ny fianakavian'ny ben'ny tanàna teo aloha tao Ambohidratrimo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Miisa 7 ireo efa voasambotra. Ny 2 tratra ambodiomby, izay zaodahy sy rain'ilay ben'ny tanàna teo aloha. Ny 5 hafa voasambotra taty aoriana. Mbola misy olona 3 karohina, raha ny fantatra. Ny tena loza tamin'ity halatra omby ity dia ao anaty trano ipetrahana mihitsy no nasiana efitrano iray nametrahana ireo omby halatra. Miditra eo amin'ny trano fandraisam-bahiny mihitsy aloha dia mivadika ao amin'ny efitrano ilany ilay valan'omby halatra. Arahina akaiky, araka izany, ny momba ity raharaha ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT