Fandriampahalemana

Halatra omby tany Betroka Zandary iray matin’ny dahalo


  • Zoma 30 Jona 2017

Mitohy hatrany ny asan-dahalo any amin’ireo kaominina ambanivohitra atsimon’ny nosy. Lavon’ny balan’ny dahalo tany Betroka omaly maraina ny zadary Adjudant Chef Pila Fanjanirina.

 

 Naharay antso ny vondrom-paritry ny zandary tao Betroka omaly vao mangiran-dratsy fa misy dahalo manafika tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bekijoro ao amin’ny distrikan’i Betroka. Nitranga ny fanafihana ary omby 100 no lasan’ireo dahalo. Raikitra ihany koa ny fanarahan-dia ka tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina no nitranga ny fifampitifirana mahery vaika teo amin’ireo dahalo sy ny zandary. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia mpamily ny fiaran’ny zandary ity adjudant chef namoy ny ainy ity. Tao anatin’ny fifanjevoana dia niraikitra tao anaty tatatra ny tongony ka tsy afaka nitsoaka izy. Voatifitra indray mandeha izy ka lavo tamin’ny tany, nanatona ireo dahalo ka nanaram-po nitifitra sy namono nahafaty azy avy eo, araka ny angom-baovao natao halina. Efa nisy ihany ny fampandrian-tany nataon’ny zandary tany amina faritra maro tany Betroka ary efa somary nilamina, saingy ankehitriny dia mirongatra indray ny asan-dahalo ary miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika hatrany ireo malaso amin’izany.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT