Fandriampahalemana

Halatra moto teny Itaosy Tratra izy telolahy mpiray petsapetsa


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Itaosy ny alarobia teo, teny Amberivatry Bemasoandro Itaosy ny mpangalatra moto telolahy. Raha tsiahivina, nisy olona vaky trano teny amin’iny faritra iny ny alin’ny 23 martsa lasa teo.

Lasan’ny mpangalatra tamin’izany ny moto iray, mitentina 2.200.000 Ar. Nametraka fitoriana ilay tompon-trano  taorian’izay. Indray andro, nisy olona nanatona ilay tompona moto, nilaza fa sao dia mahita na hividy moto fa misy manana ary azo aseho ny sary. Gaga ilay tompony fa ilay azy very ihany io sary naseho io. Nanoro olona hafa izay nitazona ny taratasina moto ilay voalohany. Io avy eo no nahasamborana ilay nitazona moto tao an-tranony. Efa tafaverina amin’ny tompony ilay moto ankehitriny. Ireo olona telo voatazona dia ilay nanera ilay moto amidy, nitazona ny taratasy ary ilay  nitazona ilay moto. Eny amin’ ny Cite Itaosy sy ny manodidina no toerana tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, miandry ireo mpanala azy ka izay tratra farany no tena lasibatra. Natolotra ny fampanoavana omlay izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT