Fandriampahalemana

Halatra moto teny Andavamamba Lehilahy iray tratra teny amin’ny 67 ha


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Lehilahy iray 24 taona no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany faha efatra CSP4 Isotry afak’omaly talata rehefa nangalatra moto.

Ny 20 mey lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana mahakasika fahaverezana moto Kymco JR iray teny Andavamamba ny mpitandro ny filaminana. Hita teny amin’ny 67 ha io moto io afak’omaly ka rehefa nandroso ny fanadihadiana dia tratra teo amin’ny manodidina teo ihany ny olona nangalatra azy. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny kaomisaria ity farany. Taorian’ny famotorana natao ny tovolahy dia niaiky tokoa izy fa izy no nangalatra io moto io. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-poinja vonjimaika ny tovolahy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT