Olona miisa 4, vehivavy ny iray ary zazalahy tsy ampy taona koa ny iray tao anaty tambajotra iray mpanao halatra sy vaky trano no ravan’ny Zandarimariam-pirenena (ZP) teny Ankadindravola, kaominina Ivato ny 8 sy 9 janoary 2018 lasa teo.
Moto miisa 6, bisikileta 1, milina indostrialy 1, milina famatsiana herinaratra 1 ary barika 4 misy menaka motera halatra avokoa no sarona tamin’izy ireo. Vaky trano nitranga teny Ivato (Quartier N°1), izay niantsoan’ny tompon-trano ny zandary teny an-toerana no nahatrarana ny roalahy ambodiomby teo ambony moto nangalariny. Tratra teny amin’izy ireo koa ny fitaovana famakiana trano sy ny sabatra entin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Nosamborina izy roalahy ary nanoro ny toerana izay teny Ivato ihany (Quartier N°5) efa nanitrihany ny “moto cross” sy vorona miisa 6 izay niaraka very tamin’io fotoana io. Tafaporitsaka anefa ireo roalahy namany nitondra io moto cross io fa ny vehivavy iray izay niray tsikombakomba tamin’izy ireo, nanafina ireo entana, no voasambotra. Rehefa niroso ny fanadihadiana dia niaiky izy ireo fa izy ireo ihany no mpanao ny vaky trano sy fanafihana rehetra eny amin’ny faritra manodidina toy ny vaky trano iray tamin’ny 29 desambra izay nahavery moto cross iray teny ivato ihany. Nanoro ny mpiray tambajotra aminy teny Anosizato indray izy ireo mba hamerenana io moto farany io. Nosavàna ny 9 janoary ny tranon’ity mpandray halatra voalaza ity izay sady mpanova ny endriky ny entana halatra ary mitady ny mpividy izany teny Anosizato atsinanana ka tratra tao tokoa io moto voalaza io. Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ireo voarohirohy ireo ny 12 janoary teo ka tafiditra am-ponja vonjimaika ny roalahy tratra ambodiomby teo ambony moto. Tsy voatana kosa ireo mpiray tsikombakomba sy mpiray fikambanana amin’izy ireo 2 hafa. Efa nandefa fampilazana, raha ny fanazavana, ny zandary momba izay mety ho tompon’ ireo moto 3 sy entana hafa tratra tamin’ny fisavana natao teny Anosizato ka nisy ny namaly ny antso izay nitondra ny taratasy nanamarina izany sady nametraka fitoriana hafa an’ireo jiolahy ireo ka avy hatrany dia nosamborin’ny zandary teo am-pivoahana ny fampanoavana indray ilay mpangalatra nahazo fahafahana vonjimaika mba hanaovana famotorana vaovao. Hatolotra indray manoloana ny fampanoavana moa ity lehilahy ity anio aorian’ny fanadihadiana azy ary ny fikarohana ireo namany izay tafatsoaka dia efa mitohy hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.