Fandriampahalemana

Halatra moto Saika raikitra ny fitsaram-bahoaka


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Andro atoandro be nanahary tokony ho tamin’ny 1 ora sy fahefany tolakandro no nitrangan’ny fikasan’ny tovolahy iray saika hangalatra moto tao amin’ny lalam-baovaon’ny fokontanin’i Tanambao V, Toamasina.

 

 

 

Nahatsikaritra izany ny tompon’ity moto ity sy ireo mponina tao an-toerana ka avy hatrany dia nanambotra sy saika nanao fitsaram-bahoaka ilay tovolahy. Nirongatra ny hatezeran’ny olona izay efa leon’ny fihibohana an-trano sy ny fahatapahan’ny fiveloman’izy ireo vokatry ny afitsok’ity areti-mandripaka COVID19 ity, raha ny filazan’ny mpampita vaovao azy. Ilay lasibatry ny halatra no nandray andraikitra niaro ity tontakely ity sy namerina nanidy azy tao am-bavahadiny fa raha tsy izany, hoy ny fanazavana, dia efa matin’ny olona teo io olon-dratsy io. Tonga nandamina ny toe-draharaha moa ny mpitandro filaminana ao an-toerana, minitra vitsy tao aorian’izay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT