Fandriampahalemana

Halatra moto Lehilahy miisa 4 no voasambotra tao Toamasina


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Commissariat Central Toamasina ny alatsinainy faha 29 jona 2020 tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie noho ny resaka halatra moto.

 

 

 

 

 Lehilahy iray izay nilaza ho very moto ny alarobia faha 24 jona teo no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny SUT(Sureté Urbaine de Toamasina) tamin’io andro. Nilaza ity mpitory fa hitany ao an-tokontanin’olona monina eny Tanambao verrerie io moto any io. Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy ka hita tao amin’ilay toerana tokoa ny moto iray mifandraika amin’ny fitantaran’ilay mpitory. Rehefa tafiditra ilay trano ny Polisy dia mbola nisy moto scooter maro efa noravàna, sy fitaovana maro niparitaka eran’ny trano. Nosamborina avy hatrany ny lehilahy tompon-trano miisa efatra ary nentina nanaovana fanadihadiana. Nogiazana avokoa moa ireo moto miisa 06 tratra tao amin’ilay trano. Ny SUT Toamasina moa no manao ny fanadihadiana.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT