Halatra moto, fisolokiana, filalaovana ody ratsy

Lehilahy nokarohina hatry ny ela sarona tao Foulpointe


  • Zoma 06 Septambra 2024

Voasambotra nandritry ny fisafoana nataon'ny zandary teo anivon’ny Borigady Foulpointe ny lehilahy iray,

voalaza fa mpisoloky sy efa mpamerin-keloka, mpamaky trano sy mpanao ody mahery. Efa ela nokarohina noho ny raharaha vaky trano, halatra moto, fisolokiana isan-karazany, saingy io omaly 05 septambra io tokony ho tamin’ny 8ora maraina vao sarona. Nomen'ny fitsarana alalana ny zandary hisava ny tranony ka nandritra izany no nahitana ireo fitaovana samihafa fampiasany amin’ny fanaovana asa ratsy. Sarona tao avokoa ny ody gasy ratsy ampiasaina hampatoriana ireo olona idirana, ody mahery miaro azy tsy ho laitran'ny zava-maranitra, kara-panondro sandoka, taratasina moto maro be, boky testamenta vaovao miisa 4 izay mbola baraingo hoe atao inona ?. Tsy lavitra ny tranony, anaty fasana izay efa tsy misy razana intsony dia nahitana moto efa noravaina, raha ny tatitry ny zandary hatrany. Misokatra ny fanadihadiana an'ity lehilahy mpamerin-keloka ity, hoy hatrany ny mpitandro ny filaminana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT