Nitrangana vono olona tany Antanambao Ankisirasira, distrikan’i Morondava tamin’ny taona 2018 .
Vehivavy iray nanao ny asany toy ny mahazatra no novonoina lehilahy iray izay efa fantatra. Rehefa matiny io vehivavy io dia nentiny avokoa ny entana azony nentina rehetra tao an-trano ary tsy hita intsony izay nanjavonany. Nifanehitra tampoka tamin’ny polisy miasa ao amin’ny CSP Morondava anefa ny lehilahy ny sabotsy teo rehefa avy niriaria nandritra ny roa taona. Raha araka ny fantatra dia mbola misy vesatra hafa h anenjehana ity lehilahy ity ihany koa toy ny halatra miaro vaky trano sy ny fandratrana olona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.