Fandriampahalemana

Halatra lavanila sy vaky trano Lehilahy roa no voasambotra tany Maroantsetra


  • Zoma 03 Jolay 2020

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSPD Maroantsetra ny alahady 28 sy alatsinainy 29 jona lasa teo teo noho ny resaka halatra lavanily tao amina fokontany maromaro tany amin’ny Distrikan’i Maroantsetra.

 

 

 

Polisy mpanao fisafoana no nahasambotra lehilahy iray, 34 taona efa fanta-daza amin’ny resaka vaky trano sy halatra lavanila tamin’io alahady 28 jona io. Ity lehilahy ity izay efa nokarohin’ny polisy noho ny fandraisany anjara tamina halatra mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambodirano, kaominina ambanivohitra Voloina ao Maroantsetra. Lavanila efa maina milanja 200 kilao no very nandritra izany fanafihana izany. Marihina fa mbola nisy raharaha miisa roa mahakasika azy ihany koa tao amin’ny CSPD Maroantsetra. Ny alin’ny alatsinainy 29 jona teo indray dia voasambotry ny fokonolona teo am-pangalarana lavanila maitso tao amin’ny fokontany Vodiriana ao Voloina, Maroantsetra ihany koa ny lehilahy iray hafa, 31 taona. Lavanila maitso milanja 6.4 kilao moa no tra-tehaka teny amin’ity lehilahy ity. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy nandritra izany raha tsy tonga ara-potoana ny polisy. Noho ny ratra nahazo azy moa dia nentina namonjy toeram-pitsaboana ralehilahy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy roalahy ireto taorian’ny fanadihadiana natao azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT