Fandriampahalemana

Halatra lavanila maitso any Sambirano Voavidin’ireo olon-dratsy ny manampahefana


  • Talata 05 Desambra 2017

Miantso vonjy amin’ny fanjakana isan’ambaratongany hatramin’ny filoham-pirenena ny mpamboly lavanila any amin’ny faritr’i Sambirano noho ny firongatry ny halatra lavanila maitso eny ifotony.

 Hatramin’izay no efa nampitaraina ny mpamboly ity asa ratsy ity, saingy efa tena nahery vaika kosa izany amin’ity taona 2017 ity. Tsy hitan’izy ireo intsony hoe iza amin’ireo tomponandraikitra any an-toerana no hatonina satria tsy mety ahitam-bahaolana intsony io toe-javatra io, ka naleon’ireo tantsaha manao antso vonjy aty ivelany. Manaitra ny fanjakana izy ireo satria tena tandindonin-doza mihitsy ity seha-pihariana andry iankinan’ny toekarem-pirenena ity. Hatramin’ny faramparan’ny volana oktobra lasa teo, dia tsy mandry an-trano intsony ny ankamaroan’ny mponina, fa miandry ny lavanila eny an-tsaha. Ankoatra ireo ny tahotra ny mpangalatra anefa dia misy ihany koa ireo moka sy biby kely mihinana ny lavanila, izay mamotika azy. Novakian’ireo tantsaha bantsilana ihany koa ny fisian’ny tsimatimanota sy ny fisian’ny tambajotra toa efa « mafia » mihitsy amin’ity sehatra ity, ka toa afa-bela eny amin’ny fitsarana sy ny tompon’andraikitra samihafa ireo olon-dratsy. Mitovy, hoy ny fampitam-baovao ny fomba fiasan’ny polisy sy ny zandary amin’ny famotsorana tsy ara-drariny ireo olon-dratsy. Aorian’ny fandoavana volabe mantsy dia afaka ho azy ireo olon-dratsy. Miaro sy manampy ireo tratra amin’ny resa-bola ny mpaniraka. Sahy mireharaha fatratra amin’izay endrika kolikoly izay ireo mpanao ratsy, ka  novakiana bantsilana ny fisian’ny kolikoly ao amin’ny Tribonalin’Ambanja. Mangataka ny hisian’ny sazy henjana ny tantsaha, izay efa tsy mandry andro tsy mandry alina amin’ny fiarovana ny voly lavanila.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT