Fandriampahalemana

Halatra kojakojana fiara Roalahy no tratra teny Anjanahary


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Lehilahy miisa roa 38 taona sy 30 taona no saron’ny ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo teny Anjanahary ny alin’ny alatsinainy 14 novambra teo tokony tamin’ny 9 ora alina manoloana an’i Radama

 rehefa nangalatra kojakojana fiara. Polisy nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ilay fiantsonana na « Parking ».Rehefa nanantona azy ireo ny Polisy dia nirifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo. Raikitra ny fanenjehana nandritra izany ka tra-tehaka ireto mpamaky fiara ireto. Marihina fa mbola teo ampanaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto jiolahy ireto no izao tra-tehaky ny Polisy izao ary efa saika haka kojakojana tao anatin'ilay fiara. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa izy roalahy ireto no tena hikoizana amin’ny famakiana sy fangalarana ireo kojakoja amina fiara izay mijanona amin’ny toerana fametrahana fiara toy izao eny amin’iny faritra Anjanahary iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy , raindahiny tamin’ny ahalatra kojakojana fiara teny Anjanahary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT