Halatra jiro eny an-dàlana

Roa lahy 02 tratra teny Ampefiloha


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy manao fisafoana tetsy Ampefiloha

rehefa tratra ambodiomby nangalatra ireny jiro mirehidrehitra natao handravaka ny lalana ireny afak’omaly 02 janoary. Toy ny mahazatra, manohy sy manamafy ary manatanteraka ireo asa fanaony andavanandro ny Polisim-pirenena. Tamin’io andro voalaza io tokony ho tamin'ny 10 ora alina teny amin’ny faritra ANS Ampefiloha, manoloana M Hôtel raha tsiahivina dia nahatsikaritra lehilahy miisa roa teo amin’ny andrin - jiro iray lehibe izy ireo. Rehefa nojerena sy narahana maso moa ireto farany dia hita fa nanala sy nanongotra ireny jiro mirehidrehitra napetraka teny amin’ny lalana. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany moa ny mpitandro ny filaminana raha vao nahita io tranga io. Tsy afa - nihetsika ireto olon-dratsy ireto ka avy hatrany dia noraisim-potsiny . Noentina eny amin'ny Kaomisarian’ny boriborintany faha efatra izy ireo nanaovana fanadihadiana raha anio Alakamisy kosa no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ilay toerana nakany ireo jiro mirehidrehitra eny amin’ny lalana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT