Fandriampahalemana

Halatra goudron Hahazoana10.000 ka hatramin’ny 15.000 Ar ny iray barika


  • Talata 31 Mey 2022

Ankoatra ny halatra vatokely izay hangadian’ny sasany eny amin’ny arabe mihitsy noho ny fahasahiranana vokatry ny hasarotan’ny fiainana dia mandeha any amin’ny fangalarana tara na goudron ihany koa amin’izao ny sasany.

Olona miisa 10 no voasambotra tany Betafo omaly ka anisan'izany ny filoha tale jeneralin'ny orinasa manamboatra ny lalana any an-toerana. Tafakatra 10 600 kg mantsy ny tara izay nangalarny in’izy ireo, tokony hamitana ny lalam-pirenena fahaefatra izay mbola tsy vita tanteraka ankehitriny. Kamiao iray no karamain’izy ireo hanao izany. Avy any Moramanga io kamiao io no nosakanan’ny mpitandro ny teo Carion ka nosavaina. Tratra tao anatiny avokoa ireo tara efa nifatratra tamin’ny barika maromaro. Raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana moa dia misy tambajotra mihitsy ity mpangalatra tara ao Betafo ity. Kopaka hisasahana ny vola azo. Ho an’ireo mpangalatra ohatra dia mahazo 10 000 hatramin'ny 15 000 ariary isaky ny barika iray izy ireo nefa mahavita barika 4 isan’andro raha kely hoy ny loharanom-baovao azo. Efa misy ihany koa ny mpandray tonga dia vonona izay saika mandoa vola mialoha hatrany na dia mbola tsy vita aza ny asa. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 10 mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT