Fandriampahalemana

Halatra fitaovana informatika 230 tapitrisa ariary nanjavona teny Ampahibe


  • Talata 20 Febroary 2018

Lehilahy roa sy vehivavy roa no voasambotry ny polisy avy ao amin`ny SUT Tsaralalana noho ny resaka halatra fitaovana informatika tao amin`ny orinasa tsy minkina lehibe iray eny Ampahibe ny talata 13 febroary lasa teo.

Nametraka fitoriana avy hatrany ny tompon`ny orinasa rehefa nanao fanamarinana entana sy vola lafo ka nahatsikaritra ny fahabangan’ny fitaovana amidiny. Miisa 180 ireo ``ordinateurs portables`` sy ``imprimantes`` nanjavona ary mitentim-bidy 230 tapitrisa ariary. Nanomboka teo ny fanadihadiana sy ny fisamborana. Ny alarobia 14 febroary ihany dia voasambotra i Angelot, 34 taona, tompon`andraikitra amin`ny sampandraharaha lojistika teo anivon`ny orinasa ihany. Izy no atidoha nikotrika izao fangalarana izao. Izy ihany no nanoro ireo namany. Vehivavy roa “commercial” sy lehilahy iray 32 taona, mpiambina an`ilay orinasa ihany no mpiray tsikombakomba aminy tamin`ny famoahana ireo entana marobe. Niaiky ny heloka vitany izy ireo. Nambarany koa fa efa herintaona no nanaovany izao asa ratsy izao amin’ny hariva aorian’ny fodian’ny mpiasa. Ny mahatsikaiky dia amidy amin`ny tambajotra sosialy ireo entana halatra ireo ary nataon`izy ireo antsasa-bidiny avy hatrany. Marihina fa efa nahavitan`ireto mpangalatra ireto trano sy nividianany fiara avokoa ireo vola azony izay efa nogiazan`ny polisy avokoa. Naiditra am-ponja vonjimaika daholo izy efatra mianadahy ary mbola karohina kosa ny lehilahy iray izay tena mpandray ny ankamaroan`ireo entana.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT