Halatra fiara teny Ambohidratrimo

Olona miisa 5 hatreto no voasaringotra


  • Zoma 09 Febroary 2024

Naharay fitoriana momba ny fahaverezana fiara ny zandary

teto amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny 7 febroary, nanodidina ny tamin’ny 12ora antoandro, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Teny amina tobin-tsolika tao Ivato ity fiara ity no niantsona ary tamin’ny 10 ora no hita farany, hoy ny fanazavana, no izao very izao araka ny fitarainan’ny tompony. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary ary nametraka ireo paikady rehetra. Vokany, voahodidina tao amina toerana iray ao amin’ny kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo ireo mpangalatra niaraka tamin’ity fiara ity. Mahin-dratsy izy 3 lahy ka mbola nokasaina hafenina ao amina trano misy tamboho indray ilay fiara saingy efa tsy afaka nitsoaka intsony ka noraisim-potsiny. Nosamborina ireto mpangalatra. Naverina amin’ny tompony ny fiara taorian’ny fanamarinana rehetra ary mitohy ny fanadihadiana. Olona miisa 5 hatreto no voasaringotra amin’ity raharaha ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT