Fandriampahalemana

Halatra fiara Telolahy no tratra teny Ambohimanambola


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Lehilahy miisa telo no saron’ny Polisy miasa ao BC Anosy ny 01 jolay lasa teo rehefa nangalatra fiara mitondra ny marika Renault duster.

Ny 10 mey 2021 lasa teo raha tsiahivina dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Service Centrale des Affaires Criminelles Anosy ny Banky lehibe iray eto an-drenivohitra mahakasika ny fahaverezan’ity fiara ity. Nanao ny fanadihadihana ny Polisy taorian’izany ka voasambotra teny amin’ny faritra Ambohimanambola tamin’ny alakamisy lasa teo ny tompon’antoka voalohany tamin’ilay halatra fiara rehefa nandositra nandritra ny roa volana. Tratra tamin’io andro io ihany koa ireo olona miisa roa izay niray tsikombakomba taminy ka ny iray tamin’izy ireo no nanafenana ny fiara halatra ary ny iray kosa no nitady mpividy. Fantatra nandritra ny fanadihadihana natao tamin’izy ireo fa mpiambina ao amin’ity orinasa ity ihany no nahavita nangalatra izany ary naka ny fanalahidin'ilay fiara ka nahafanany namelona sy nitondra izany. Teny amin’ny faritra Ambohimiadana, kaominina ambanivohitr’i bongatsara niaraka tamin’ny mpiray tsikombakomba izay nitazona azy no nahitana azy irep. Taorian’ny fanadiadihana dia natolotra ny fitsarana afak’omaly 05 jolay ireto jiolahy ireto ary nidoboka am-ponja vonjimaika izy 03 lahy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT