Fandriampahalemana

Halatra « coffre fort » Ilay tovovavy mpiasa sy ny sakaizany no atidoha


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Olona miisa 5 no ati-doha nikotrika ilay halatra « coffre fort » nitranga andro vitsy lasa izay tao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Ilay tovovavy mpanampy an-trano niaraka tamin’ny sakaizany no ati-doha nikotrika izany raha mpampiasa itsy voalohany kosa ireo lasibatra. Tany Antananarivokely Tsinjoarivo, kominina Antsapandrano, distrikan'Ambatolampy no tratra izy roakely tamin'ny 27 janoary lasa teo. Tany Ivato Centre, distrikan'Ambositra kosa no tratra ny sasany izay anisan'ny mpiray tsikombakomba tamin'ny mpangalatra, raha teny amin’ny 67 sy Andavamamba ny sasany. Ankoatra ireo finday miisa 06 moa dia fantatra ihany koa fa lelavola mitentina Ar 13.000.000 no tao anatiny niampy antontan-taratasy maro samihafa izay samy very avokoa. Rehefa nohenoina moa izy rehetra ireo dia samy niaiky daholo fa nandray anjara tamin'ny fandaniana ilay vola. Na izany aza amin'ny tompony ny ampaham-bola Ar 800.000 niampy ny antotan-taratasy rehetra. Natolotra ny fitsarana omaly 31 janoary izy dimy mianadahy ka naiditra am-ponja vonjimaika raha mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba hafa izay mbola tsy hita popoka ny sasany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy dimy mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT