Fandriampahalemana

Halatra «batterie » amin’ny andrin-jiro 2 lahy tratra teny 67 ha


  • Talata 16 Janoary 2024

Lehilahy roa omaly no tratra nangalatra vato aratry ny andrin-jiro mandeha

amin'ny herin'ny masoandro teny Andohatapenaka. Raha araka ny fantatra dia polisy miasa eny 67ha nanao fisafoana toy ny mahazatra teny amin'iny faritra Andohatapenaka iny no nahatsikaritra azy ireo. Tsy taitra mihitsy izy roalahy ireo nangady ny fototry ny andrin-jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro teny an-toerana tokony ho tamin'ny 05ora30. Vao nanatona azy ireo ny Polisy dia avy hatrany dia nandositra niaraka tamin'ny batterie solaire miisa roa izy ireo saingy tsy tafatsoaka lavitra dia tratra. Noentina niazo ny biraon'ny Polisy teny 67ha ireto jiolahy roa mba ho atao famotorana. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olona naniraka azy roalahy ireto sy ireo mpandray ny fitaovana halatra.
Pati
Legende : Ireo izy roalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT