HALATRA BATERIA AMIN’NY FIARA

Lehilahy iray no tratra teny Ankadifotsy


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Lehilahy iray 29 taona no nosamborin'ny Polisy teny Ankadifotsy ny 19 Novambra alina lasa

teo rehefa nangalatra "Batterie" an'ireo fiara mipetraka eny an-toerana. Nahazoana vokany ny velapandrika napetraky ny Polisim-pirenena eto anivon'ny boriborintany fahatelo mahakasika ny halatra "batteries" amin'ny fiara izay mipetraka amoron-dalana eny amin’iny faritra iny. Tena mirongatra sy mahazo vahana tanteraka mantsy izany. Mbola tratra teny amin’io lehilahy io noho izany ireo fitaovana fampiasana toy ny "clé" sy "pince". Taorian'ny fakana am-bavany azy dia natolotra ny fitsaràna ity farany ka dia naiditra m-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjaben'Antanimora. Tsy mijanona hatreo moa ny ezaka hataon’ny polisim-pirenena hametrahana ny filaminana eny amin’iny faritra iny.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy sy ireo fitaovana nampiasainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT