Fandriampahalemana

Halabotry tao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa Maty nodobohana vato ilay rangahy


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Rangahy iray maherin’ny 50 taona no maty vokatry ny vono sy daroka nahazo azy tao amin’ny faritry ny oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa ny marainan’ny sabotsy 27 janoary lasa teo.

 

 Halabotry no namonoana azy. Nandeha resaka fa efa zatra mpanao izy io, ka nandrasana kendritohana mihitsy. Tra-tehaka tokoa satria voalaza fa nangalatra “desktop” na ireny fitaovana kely famahanana vatoaratry ny finday ireny, ary tsy fantatra kosa izay zavatra hafa mety nangalariny ankoatra izay. Raikitra ny vono sy ny daroka tsy an-kitsitsy ka naratra mafy ny tenany. Nafana tanteraka ny “ambiance” teo am-pamonoana azy, ka tsy nohenoina ny talahony sy ny fifonany. Anisan’ny azo sary, ohatra, ny lehilahy iray mitazona vato lehibe. Toa manamarin-tena sy mankasitraka izany ny ankamaroan’ny olona sy ny mpianatra satria hoe efa fanaony ilay izy. Nampandrenesina ny polisim-pirenena. Amin’ny maha faritry ny anjerimanontolo azy moa dia sarotsarotra ny miditra ao, ka somary taratara. Vantany vao tonga ny polisy dia naka azy sy nitondra azy tany amin’ny hopitaly satria mbola nisy aina ilay rangahy, ary tany no tapitra ny ainy. Ny fitsaboana aloha izany no nahamaika, ka tsy nisy ny fisamborana na fanadihadiana teo no ho eo, izany hoe tsy misy voasambotra na iray aza hatry ny omaly. Araka ny fampitam-baovao, dia tsy mbola nisy tompon’andraiki-panjakana na iray monja  nijoro manoloana io toe-javatra mafana io na ny avy eo amin’ny fiadidian’ny oniversite na ny avy amin’ny prefektiora ao an-toerana, ka toy ny tany tsy misy fanjakana. Manomboka mandeha kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy vao izao ity resaka fitsaram-bahoaka ao anatin’ny faritry ny anjerimanotolo ity eto amintsika, satria halatra dokotra miisa 2 no namonoan’ny mpianatra lehilahy iray tany Mahajanga ny 12 janoary 2017. Antony lehibe mety tsy hananan’ny olona tahotra ny fahitany fa tsy misy ny fandraisan’andraikitra na maivana ny sazy manoloana ireny, ka na voarara sy helohin’ny lalàna aza ny fanaovana fitsaram-bahoaka tsy ahoany. Raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena moa, dia nahatratra 64 ny trangana fitsaram-bahoaka tamin’ny taon-dasa, ka 6 no voasakana no tamin’izany. 68 no maty, ka mpitandro ny filaminana 3. Miisa 38 kosa ny olona voasambotra. Efa manomboka indray izany izy izao ho an’ny taona 2018 !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT