Hala-jaza

Vehivavy 9 sy zazavavy 10 taona no nahavanon-doza


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Niha lalina ny famotorana nataon'ny zandarimaria Andoharanofotsy mahakasika ny

fangalarana an'i Mahery izay niseho ny 1 desambra 2023 tao Soamanatombo, Antananarivo renivohitra, ka teny Andoharanofotsy ny 4 desambra 2023 vao tratra. Sarona nandritry ny famotorana lalina ny tambazotra mpangalatra sy mpivaro-jaza ary mpandray. Vehivavy miisa 9 sy zazavavy vao 10 taona no nahavanona izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ankoatr'ireo vehivavy miisa 3 tratra nandritry ny famotorana mahakasika an'i Mahery kely dia mbola nisy vehivavy miisa 6 fantatra fa nandray anjara mivantana tamin'ireo tranga hafa mitovy amin'iny niseho iny. Manodidina ny 600.000 Ariary ka hatramin'ny 1.400.000 Ariary no voambara fa saran'ny zazavavikely iray. Zazavavy kely 2 volana, izay mbola nitadiavana mpividy saingy mbola tsy lafo no hita tany an-tranon’ny ramatoa iray monina eny Ankadimbahoaka ny 5 desambra 2023. Zazavavy kely hafa efa-bolana no naterin'olona izay monina any Antanimenakely/Ambohidrapeto ka voaray tao amin'ny tobim-paritry ny Zandarimaria Andoharanofotsy ny 6 desambra 2023. Zazavavy kely miisa 2 hafa no mbola karohina miaraka amin'ireo olon-dratsy. Noraisina an-tanana ny fividianana sakafo sahaza ireo zaza tamin'ny fotoana nijanonan'izy ireo tao amin'ny tobim-paritra Andoharanofotsy mialoha ny fanapahan'ny mpitsara zaza tsy ampy taona ny hametrahana ireo zaza amin'ny toby mpiahy iray eny Anjomakely, Atsimondrano. Natao hatrany ireo fanangonam-baovao mba hahafantarana ny ray aman-drenin'ilay zazavavy kely faharoa nisy nanatitra, izay mbola tsy fantatra hatramin'ny ora hanoratana izao. Naiditra eny Antanimora avokoa ireo vehivavy miisa 9 voarohirohy tamin'ireo raharaha ireo, raha nomena fahafahana vonjimaika ilay zazavavy 10 taona. Zazavavy no tena lasibatra, koa arovy ireo menaky ny aina fa tsy kely lalana ny ratsy, hoy hatrany ny zandarimaria.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT