HALA-JAZA TENY SOAMANATOMBO

Ramatoa roa no tompon’antoka, zazavavikely iray ahiahiana


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Nahonena ny nahita an'ireo Ray aman-dRenin'ilay zazalahikely vao herin-taona

nangalarin'olona ny 01 desambra lasa teo teny Soamanatombo Antananarivo renivohitra. Nitaky vola mitentina 700.000 Ar ho sandan'ny famotsorana na famerenana io zaza io tamin'ny alalan'ny someso, ireo mpangala-jaza.Taorian'ny vela-pandrika natao ny 04 desambra teo anefa dia tratra ny harivan'io ihany ny Ramatoa iray 32 taona, izay monina ao amin'ny fokontany Atalata, kaominina ambanivohitra Ampanefy sy distrikan’ Antananarivo Atsimondrano niaraka tamin’ilay zaza. Nandritra ny famotorana savaranon'ando natao azy no nilazan'ilay Ramatoa fa nokasaina hamidy tamin'olona hafa ilay zaza.Marihina fa misy Rtoa iray hafa 26 taona, izay noahiahin'ny fianakaviana ho mpiray tsikombakomba tamin'ity raharaha ity, noho ny filazany ampitson'ny nahaverezan’ilay zaza fa hitany ny misy io tsy manan-tsiny io. Nanampy izany ny fahafantaran'izy ireo fa efa nisy tranga nahavoarohirohy an'ity Ramatoa faharoa ity tany aloha tany mahakasika hala-jaza. Ankoatra izany, zazavavy kely vao 12 taona ihany koa no fantatra sy ahiahiana fa anisan'ny niaraka nahavanona ity hala-jaza ity.Naverina tamin'ny Ray aman-dReniny teo anatrehan'Andriamatoa hajaina Solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Atsimondrano sy ny iraka manokana avy tamin'Andrimatoa Filoham-pirenena mivady ary ireo fianakaviany ilay zaza, ny harivan'io ihany.
Pati
Legende : Ity ilay zaza very efa eo am-pelatanan’ny Ray aman-dReniny ! Ireto kosa izy mirahavavy mpangala-jaza !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT